---
description: 'Fandraisana ao amin’ny foibe, fitsidihina any an-trano, fampiofanana « Tehina » sy ho an’ny fianakaviana, « Dinika tora-po », fampahafantarana : ireo tolotry ny ONG Madagascar Alzheimer Masoandro Mody.'
title: 'Inona avy ireo tolotra atolotry ny ONG Madagascar Alzheimer ?'
canonical: 'https://markleex.com/@madagascar-alzheimer/mg/tolotra'
markleex:
  entity: '@madagascar-alzheimer'
  url: 'https://markleex.com/@madagascar-alzheimer'
  version: 1
  published: '2026-09-26T15:58:26+00:00'
  updated: '2026-09-26T15:58:26+00:00'
  trail:
    - label: mg
      url: 'https://markleex.com/@madagascar-alzheimer/mg'
  lang: mg
  content_license: 'All rights reserved'
---

## Fandraisana ao amin’ny foibe

Ny fikambanana dia mandray ireo olona voan’ny aretina Alzheimer na aretina toa azy, manomboka ny talata ka hatramin’ny sabotsy, ao amin’ny foibeny ao Fenomanana Mahazoarivo. Mandray ihany koa ireo zokiolona izay maniry hanana zavatra atao mba tsy hitokana rehefa misotro ronono.

## Fitsidihina any an-trano

Ho an’ireo marary tsy afaka mankany amin’ny fikambanana, dia misy ny fitsidihina any an-trano.

## Fampiofanana

- **Fampiofanana « Tehina »** : olona natao hisahana sy hikarakara manokana ny olona voan’ny aretina Alzheimer izay efa mihena ny fahaleovantenany.
- **Fampiofanana ny fianakaviana mitaiza marary**, mba hahafantarany misimisy kokoa ny aretina.

## Dinika tora-po

Isakin’ny sabotsy faran’ny volana no atao ny fihaonan’ireo fianakaviana mitaiza marary, hifampizarana ny olana sy ny vaha-olana.

## Fampahafantarana sy fanairana

Mandritra ny taona, ary indrindra mandritra ny volana Septambra, volana eran-tany iadiana amin’ny aretina Alzheimer, dia manao hetsika maro ny fikambanana.

Fantaro bebe kokoa : [ny tolotra ao amin’ny tranonkalan’ny fikambanana](https://madagascar-alzheimer.mg/mg/tolotra/).
